Social

Ny anjara asan’ny onjampeo eo amin’ny fampandrosoana

Tontosa ny sabotsy 13 febroary lasa teo teny amin’ny Radiom-pirenena Malagasy tao Anosy ny andro fankalazana iraisam-pirenena ho an’ny onjam-peo. Natrehan’ireo manam-pahefana isa-tsokajiny izany andro izany. Nahitana trano eva manodidina ny 30 teo  tany an-toerana izay nandraisana onjam-peo ao Antananarivo anjara. Nampahafantarina nandritra izany ny anjara asan’ny onjam-peo eto amin’ny firenena sy nitaritan-dalana ireo tanora te hisehatra ao anatin’izany. Anisan’ny nanamarika izany ny avy ao amin’ny Ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina izay notarihan’i Lalatiana Rakotondrazafy. Nambarany nandritra izany ny tokony sy tsy tokony hataon’ireo mpisehatra an’onjam-peo manoloana ny raharaha politika amin’izao. Tsy vitsy ireo nanohina ny antso sy tonga nanao fitsidihana teny an-toerana, na ireo mpampianatra sy ireo manam-pahaizana maro izany na ireo mpianatra te hahafantatra ny mikasika ny onjam-peo.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire