Russie : Nitsahatra ny fitaterana an-dalamby vokatry ny fipohana tao amin’ny tetezan-dalamby iray
Niato ny fifamoivoizana an-dalamby, omaly alatsinainy tao amin’ny faritr’i Samara (Volga) tanàna Rosianina taorian’ny fipoahana teo amin’ny tetezan-dalamby iray tao an-toerana. Tsy nisy ny aina nafoy tao anatin’ity tranga ity. Araka ny fantatra kosa, dia vokatry ny fidiran’olon-tsotra , izay tsy nahazo alalana no nahatonga ny fipoahana. Fiara lehibe iray no nidona tamin’ny andrin’ny tetezana ka nahatonga ny fipoahana teo amin’ny tetezana, ambonin’ny renirano Tchapaievka. Niato tanteraka vokatr’izany ny fifamoivoizana tany an-toerana ary tsy nisy afaka nifamezivezy ireo fiaran-dalamby tany an-toerana.
