Social

Ny fifanarahana eo amin’i Madagasikara sy ny FMI.

Mpamatsy vola ireo firenena andalam-pandrosoana maro ny “Fonds Monétaire Internationale” na ny FMI. Ilain’ny firenena madinika, indrindra ny afrikanina izany mba ahafahana manatanteraka ireo tetik’asa maro samihafa. Sehatra maro eto Madagasikara no efa novatsian’izy ireo vola. Anisan’izany ny Jirama, ny Air Madagascar, sy ireo sehatra maro samihafa. Ireto farany izay tena mbola ao anatin’ny fahasahiranana tanteraka eo amin’ny fampihodinana ny orinasany. Raha ho an’ny orinasa Jirama manokana izao, tsy tokony hisy ny fiakaran’ny vidin’ny fanjifana jiro sy rano raha ny voalazan’ny mpitondra fanjakana. Tsy maintsy mijery izay marimaritra iraisana izany ny orinasa. Etsy ankilany, saika mimenomenona ny mpanjifa amin’ny fahatapahan’ny jiro sy ny rano matetika. Misedra olana amin’izany ny faritra maro manerana an’i Madagasikara. Ny sasany aza moa adin’ny roa ao anatin’ny iray andro no mandeha ny rano eny amin’ny faritra misy azy. Ny hafa tsy maintsy mandeha amin’ny toerana lavitra vao mahazo izany. Antony tsy hahatratraran’ny orinasa ny famatsiana amin’izany ny fahabetsahan’ny mponina. Ankoatra izany ny fahanteran’ny fitaovana izay mamatsy rano. Mba ho fanampiana ity orinasa ity no nanaovan’ny mpandraharaha Malagasy fifanarahana amin’ny FMI mba hamatsy ny Jirama. Azon’ny fanjakana atao ny mampiasa io famatsiana io mba handanjana ny vidin’ny fanjifana amin’izao.

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire