Nosy Sambatra, lasa valan-javaboahary frantsay.
Mitohy indray ny tolona ho an’ireo nosy manodidina an’i Madagasikara. Ka nangataka fanazavana avy amin’ny ministeran’ny raharaham-bahiny ny Firaisankinam-pirenena ho an’ny Nosy Malagasy (FPNM) mahakasika ny fanasokajiana ny Nosy Sambatra ho valan-javaboahary frantsay sy ny hitondran’ny firenena ny fitakiana ny famerenana ireo îles éparses. Raha tsiahivina dia navoakan’ny ministeran’ny tontolo iainana frantsay ny 10 jona lasa teo araka ny “Décret numéro 2021-734 du 8 juin 2021 portant création de la réserve naturelle nationale de l’archipel des Glorieuses (Terres australes et antarctiques françaises)” ireo nosy ireo.
Hasina Rasamimanana
