Canada : Vehivavy folo no maty noho ny herisetra nanomboka ny volana janoary, vokatry ny fihibohana
Vehivavy folo no maty novonoina hatramin’ny fanombohan’ny taona teo tany Québec, izay niharana herisetra no nahafaty azy. Nilaza ireo fikambanana maro any an-toerana fa noho ny fihibohana no antony ary manahy ny nisian’ny herisetra ara-nofo indray taorian’ny fiverenana amin’ny fiainana amin’ny andavan’andro. Ny vadiny ihany na ny vadiny taloha ihany no nahavita namono azy ireo tahaka izao. Nanambara i Chantal Arseneault, filohan’ny fikambanana miahy ireo vehivavy iharan’ny herisetra ara-nofo, fa saika mitovy daholo ny tranga nahazo ireo vehivavy izay tonga mitaraina ao aminy : fandrarana tsy hivoaka ny trano na hiresaka aman’olona.
