Jordanie : Lohalaharana amin’ny fifohana sigara
Anisan’ireo firenena ahitana olona mifoka sigara maro, raha oharina amin’izao tontolo izao, ny ao Jordanie. Nanampy ny fanjifan’ny olona izany ny fisian’ny aretina coronavirus izay efa herintaona mahery izay. Tsy zakan’ny sain’ny mponina any an-toerana ny fisian’ny fihibohana ka mahatonga ny tahan’ny filana hifoka sigara hiakatra. “Iray hatramin’ny roa fonosana isan’andro no nofohako tamin’ny fotoana tsy mbola nisy aretina, saingy mandany hatrany amin’ny efatra ka hatrany amin’ny dimy fonosana aho ankehitrin’ny noho ny rarin-tsaina. Mandany hatrany amin’ny 350 dinars (1 900 000 Ar) ny tenako isan’andro”, raha ny nambaran’i Mounir Shana, mpivarotra sigara ao Amman. Nanamafy ihany koa izy fa tsapany ny aretina ao amin’ny tratrany vokatr’izany fa saingy tsy hitany ny atao. “Mihamitombo ny fifohako sigara, efa ho herintaona izay, noho ny fisian’ny fahasimban-tsaina hateraky ny fihibohana amin’ny ampahany sy manontolo” hoy ihany koa ny lehilahy tanora iray vao 24 taona. Manoloana ny tsimok’aretina mantsy, nametraka fepetra hentitra dia hentitra ny fitondram-panjakana nanomboka tamin’ny taona 2020, mba hamerana ny fivezivezen’ny mponina. Raha ny nambaran’ny fikambanana iraisam-pirenena, izy no firenena faharoa, aorian’ny Indonésie manjifa ny sigara be indrindra. Ny 70% ny mponina ao aminy no mifoaka sigara avokoa tamin’ny taona 2015. Nanambara anefa ny OMS fa tokony harovana ireo olona sisa mbola tsy mifoaka any an-toerana ankehitriny. Manomboka amin’ny 18 ka hatramin’ny 69 taona ireo no salan-taonan’ny olona mandray izany. Miakatra hatrany mantsy ireo tahan’ny olona mandray izany noho ny aretina coronavirus izay mamely any an-toerana.
