SocialTatitra

Myanmar : Miezaka mikatsaka vahaolana ho azy ireo ny firenena rehetra

Nanao fanambarana ny alarobia 31 martsa lasa teo, mahakasika ny tokony hanomezana sazy an’i Birmanie ny masoivoho sinoa. Mpikambana ao amin’ny filankevi-pilaminan’ny firenena Mikambana ihany koa izy ireo. Nandritra izany no nilazan’izy ireo fa mety hiharatsy ny toe-javatra miseho ao Birmanie manoloana ny fahazoana sazy mety hiatra aminy. Mahatonga fisalasalana eo amin’ny fikambanana iraisam-pirenena amin’ny fandraisana fepetra ity fanambaran’ny masohivoho sinoa ity. Ahiana ny mety ahatongavan’ny rà mandriaka hoy izy ireo. “Mahery loatra ny habibiana hataon’ny tafika ary maro ny fikambanan’ny foko mitam-piadiana no mampiseho mazava ny fanoherany izany, mampitombo ny mety hisian’ny ady an-trano izay mbola tsy nisy toa izany ihany koa izany” hoy Christine Scharner Burgener, nandritra ny filankevitra mikaton-trano ny alarobia 31 marsa 2021 lasa teo. Nanolotra sosokevitra izy ireo ny mba hijerena fomba hafa azo hampiasaina mba hampitsaharana ny ady. Etsy ankilany, miantso amin’ny fanomezana sazy azy ireo ny Amerikanina sy ny Royaume-Uni, raha toa ka mandà izany sazy izany i Chine sy Russie.

Laisser un commentaire