Fanomanana ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny dihy
Tontolon’ny kanto manana ny anjara asany manokana sy mampiavaka azy ny dihy. Fampisehoam-pihetsiketsehana ataon’ny tena manontolo no antsoina hoe dihy raha araka ny famaritana omen’ny rakibolana Malagasy. Misy karazany maro samihafa ny dihy amin’izao fotoana izao. Tsy mitsahatra mizara sy mamokatra ny kanto raketin’ny dihy ny firenena samihafa. Manome lanja manokana izany ny eto Madagasikara. Maro ireo karazan-dihy izay mampiavaka ny Malagasy manokana, ankoatra ny efa fahita any amin’ny firenena maro samihafa. Samy manana ny mampiavaka azy amin’io sehatra io ihany koa ny faritra samihafa. Misy amin’ireny dihy maha Malagasy ireny no tsy re loatra intsony amin’izao fotoana izao. Mety ho anton’izany ny firoboroboan’ny kolotsaina avy any ivelany ka mampihen-danja ny an’ny firenena manokana. Maro amin’ny Malagasy ihany koa no tsy mahafantatra intsony ny dihy Malagasy ankehitriny. Anisan’izany ny antsandringa, kidodo, dihy rodobe, ambio, rebika na ihany koa ny Bahoejy. Raha izay ny an’ny dihy Malagasy, miroborobo fatratra eto Madagasikara ihany koa ny dihy vahiny isan-karazany ary maro ny tanora liana amin’izany. Nohon’ny antony ara-pahasalamana anefa, tsy hisy ny fankalazana goavana amin’ity taona ity. Amin’ny alalan’ny teknolojia hampitain-davitra no hanatanterahana izany hisorohana ny fiparitahan’ny valan’aretina. Tsiahivina fa ny andron’ny 29 aprily no andro iraisam-pirenena ho an’ny dihy ary mandray anjara amin’izany i Madagasikara isan-taona. Na eo aza anefa ny tsy fahafahana manatanteraka io fankalazana io mivantana, manentana ny mpisehatra eo amin’izany hatrany ny tompon’andraikitra mba ho liana bebe kokoa amin’ny kanton’ny dihy ary hitohy hanatsara izany sehatra izany.
Fanilo Rarivoarilala
