Sarotiny amin’ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana ny polisim-pirenena
Napetraka ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra ho fiarovana amin’ny COVID-19, misy hatrany anefa ireo olona tsy manaraka izany. Voakasik’izany avokoa na ireo mpandeha tongotra, na ireo anaty fiara, manginy fotsiny ireo anaty tanàna any. Manamafy izany hatrany anefa ny polisim-pirenena eny rehetra eny ary mbola manentana foana ny hanarahan’ny tsirairay ireo fepetra efa napetraka. Toa lasa ny mpitandro filaminana indray anefa no atahorana fa tsy ilay aretina manoloana ny fanaovana aro vava orona indrindra indrindra. Misy ireo minia tsy manao mihitsy, misy kosa ireo manao izany eo amin’ny saoka ka rehefa mahita polisy vao mody mampiakatra. Hanasazy ireo olona tsy manaraka fepetra ny plisim-pirenena ary hohamafisina ny sazy omena ireo izay tsy mety tonga saina manoloana ny loza mitatao aterak’ity valan’aretina ity. Tsy ho vitan’ny mpitandro filaminana irery anefa ny fampanajana ny fepetra fa mila ny fandraisana andraikitry ny tsirairay. Aoka ho sahy miteny sy sarotiny ny tsirairay raha mahita olona tsy manara-dalàna. Tsara kokoa raha tsy miandry ny mpitandro ny filaminana ny fandraisana andraikitra fa ny ainao sy ny fianakavianao ary ny mpiray tanindrazana aminao no arovanao. Mahavita izay vitany ihany ny aro vava orona matoa hentitra ny fanjakana koa tokony ho samy tonga saina ny tsirairay.
