ActualitésTsidika

Talata Volonondry: Nahazo toeram-pivoahana vaovao ny EPP Falimanjaka

Misongadina ireo asa vita vokatry ny fiaraha-miasa amin’ireo fikambanana, ao amin’ny kaominina Talata Volonondry. Nahazo toeram-pivoahana vaovao ny EPP Falimanjaka, izay avy amin’ny fiaraha-miasa tamin’ny fikambanana Better Live for Children, araka ny voalaza.

“Hisaorana ny fikambanana Better live for Children nahazoana izao toeam-pivoahana ho an’ireo mpianatra ao amin’ny Epp Falimanjaka izao, eo ihany koa ny fifanomezan-tanana tamin’ny talen-tsekoly, ny mpampianatra, ny fikambanana Tsimoka ary ny ray aman-drenin’ny mpianatra. Ankoatra izany, dia efa andalam-pamitana ihany koa ny efitrano fianarana miisa 3 eto an-toerana” hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana.

«Tena ilain’ny mpianatra ny toera-pivoahana, manaraka ny fenitra tahaka izao. Mba ho fikojana izany anefa dia tsara ampianarina ny ankizy ahay hikolokolo sy hitandro ny fahadiovana satria mianga eny an-tsekoly ny fampiarana ny fahaiza-miaina momba ny fahadiovana” hoy i Andry, mpampianatra.

Tsy nanangana foto-drafitr’asa izao ihany moa no nataon’ireo mpiara-miombon’antoka ireo, fa nanolotra ihany koa izy ireo, savony sy fitaovam-pianarana ho an’ny mpianatra.

Manitra R.

Laisser un commentaire