Dépêches

Fizahan-tany: Ho hatsaraina ny fitsidihana ny valan-javaboaharin’i Tsimbazaza

28 Septambra, Nohamarihana nandritra ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fizahan-tany omaly, 27 septambra 2023, ny  fanokafana tamin’ny fomba ofisaly ireo sori-dalana (balises) karazany telo, netina hanamorana kokoa ny fitsidihana atao ao amin’ny valan-javaboaharin’i Tsimbazaza. Iray amin’ireo tetik’asa maro mbola hataon’ny ministera misahana ny fizahan-tany izany ka tanjona ny hanatsarana hatrany ity valanjavaboahary ity ka hampitombo ireo mpizahantany hitsidika sy hijanona maharitra eto Analamanga. Izany fanatsarana izany ihany koa dia ihara-miasa amin’ny ofisy rezionalin’ny fizahantany eto Antananarivo (ORTANA).

Laisser un commentaire