Ankadikely Ilafy: Mitohy ny asa fametrahana jiro ataon’ny kaominina
Mitohy ny fametrahana jiro mandeha amin’ny alalan’ny herin’ny masoandro, ataon’ireo tomponandraikitra ao amin’ny kaominina Ankedikely Ilafy, amin’izao fotoana. Tanjona ny hitondra fahazavana amin’ireo tanàna rehetra ao an-toerana, raha ny voalaza.
“Tadifitra indrindra ao anatin’ny ezaka ataon’ny kaominina ny fangatahana sy ny ady sisika amin’ny fitondram-panjakana amin’ny fampisitrahana hazavana ny mponina amin’ny fokontany rehetra eto an-toerana. Hisaorana azy ireo mamaly sy manaiky hiara-hiasa ho fitsinjovana ny vahoaka” hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
“Hisaorana ny tomponandraikitra amin’ny ezaka ataony ho fampandrosoana ny tanàna. Tena anisan’ny mitsinjo ny vahoaka, indrindra fa ireo mpiasa mody amin’ny alina, tokoa ny fametrahana ireo jiro no mampihena ny asan’ny mpanao ratsy ihany koa, ny fanendahana sy ny sisa” hoy i Toky, mponina ao Ankadikely Ilafy.
Ao anatin’ny tetik’asan’ny fitondram-panjakana moa ny fampisitrahana hazavana eny ifotony tahaka izao. Manana andraikitra kosa ny kaominina hiady sy hampisitraka ny vahoaka izany. Anjaran’ny vahoaka kosa ny miaro sy mikojakoja azy ireny mba tsy ho lasan’ireo tia kely.
Manitra R.
