Velon’aina tsara ary mbola vonona amin’ny asany ny SEG
21 Desambra, 10h00. Velona sy avotra soa aman-tsara ny sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena Jeneraly Serge Gelle ao Mahambo amin’izao ora sy fotoana izao. Nitantara fohy ny nanjo azy izy, nilomano nanomboka omaly tamin’ny 7ora sy sasany alina ka hatramin’ny maraina teo. Izy izay niharandoza tao Soanierana Ivongo tamin’ny angidimby rehefa tonga namonjy voina ireo mpiray tanindrazana rendrika tamin’ny Sambo
