Dépêches

Hanomboka ny 09 janoary izao ny fifanitsanana CAN 2022

21 Desambra, 09h00. Taorian’ny fivoriana notanterahin’ny CAF ny faran’ny herinandro lasa teo no tapaka fa tsy hihemotra intsony ny fotoana hanatanterahina ny CAN 2022 ary tsy hisy fiovana intsony ny toerana hanatontosana izany. Ny 09 janoary ka hatramin’ny 07 febroary 2022 izao ny fotoam-pifanitsanana. Ho hentitra kosa ny fanaraha-maso amin’ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana mandritra izany.

Laisser un commentaire