Dépêches

Analamanga : Hisy ny fisitrahana kaly tsinjo ho an’ireo sahirana

09 Aogostra, 17h30, Hampitombona 30 ireo ivon-toerana fizarana Kaly Tsinjo eto an-drenivohitra sy ny faritra sasany. Ho an’Analamanga manokana, olona maherin’ny 500 isanandro no hisitraka ny fanohanana ara-tsakafo izay fandaharan’asan’ny filoham-pirenena, tanterahan’ny Minisitry ny mponina sy fiahiana ara-tsosialy, hizarana ny kaly tsinjo hoa an’ireo olona sahirana sy marefo. Hisy ihany koa ny fanohanana ara-tsakafo, manomboka ny 15 aogositra ho an’ireo olona sahirana sy marefo ao amin’ny faritra Atsinanana, Matsiatra ambony, Atsimo andrefana, Androy ary Anosy.

Laisser un commentaire