Tokony ho tonga lavitra ny fanadihadihana
Matetika mijanona eo amin’ny nahazoana ny mpamaky trano sy ny entana tsy hita ihany ny raharaha iray. Ambara anefa fa misokatra ny fanadihadihana. Tsy fantatra mazava akory izay ao ambadiny na ny vontoatiny aorian’izay. Tamin’ity indray mitoraka ity kosa tsy namelan’ireo polisy raha tsy tratra hatramin’ny farany ireo mpangalatra sy ireo mpiray tsikombakomba taminy. Efa iray volana sy tapany izao no nisy nandroba ny lapan’ny tanàna tao Sabotsy Namehana ary notohizana niandàlana teny foana ny fikarohana. Olona dimy no fantatra fa tompon’antoka tamin’iny raharaha iny raha roa andro taorian’ny fandrobàna ny roa voalohany no tratra. Ireo farany no nahazahoana ny atidoha nikotrika ary izy indray no nanoro ireo mpividy ny entana. Entana mitentina 9 tapitrisa Ariary no voalaza fa very nandritra ny fangalarana. Ahitana fitaovam-panamafisam-peo samihafa. Tsy nisy afa-bela araka izany ireo mpanao ratsy na hatramin’ny mpividy entana halatra aza. Mihemotra ny mpanao ratsy raha toy izao foana. Tokony hitohy ny fanadihadihana na aman-taonany aza vao hita ny meloka. Tsy tokony ho kivy na hiraviravy Tanana amin’ny fikarohana ny mpitandro filaminana.
Nicole Rafalimananjara
