SocialTatitra

Israël : Laharana voalohany maneran-tany amin’ny fanaovam-baksiny hiarovana amin’ny coronavirus

Manomboka miverina amin’ny laoniny ny fiainana any Israël amin’izao fotoana izao. Efa misokatra avokoa ny fivarotana isan-karazany sy ny toeram-pisakafoana ary ny efitrano fanatanjahan-tena marobe. Niditra tanteraka tamin’ny fanaovam-baksiny ny vahoaka mantsy ny firenena ary efa maherin’ny 60 % ny Israeliana vita vaksiny fanefitra amin’ny COVID-19. Ity firenena ity izay lasa laharana voalohany amin’ny firenena maneran-tany amin’ny fanaovam-baksiny ny mponina ao aminy ankehitriny. Ny mpijery fampisehoana aza takiana karatra manamarina fa vita vaksiny mihitsy na « carte de vaccination ».

Laisser un commentaire