Etats-Unis : Nahomby ny andrana ny vaksiny Pfizer BioNtech
Natao andrana tamin’ny zaza 12-15 taona indray ny vaksiny Pfizer BioNtech tany Etats-Unis. Ary nambaran’ireo mpamokatra fa maharo 100% ity Vaksiny ity. Nety tsara ho an’ny ankizy latsakin’ny 16 taona ilay izy ankehitriny raha ferana ho an’ny mihoatra ny 16 taona ihany teo aloha. Nambaran’ny Food & Drug Administration na FDA mantsy teo aloha fa tsy omena alalana raha ho an’ny ankizy latsakin’ny 16 taona. Efa 53 tapitrisa ny Amerikanina vita vakisiny ary miakatra 96 tapitrisa izany raha ny vakisiny voalohany no isaina. Maneran-tany indray dia efa 574 tapitrisa ny vakisiny vita.
