SocialTatitra

Rwanda : Lasa sangany aty Afrika

Nivoatra be i Rwanda tato ho ato noho ireo Indostria maro ao aminy ka lasa isan’ireo sangany aty Afrika. Maro ny Indostria mitsangana any an-toerana toy ny fitrandrahana sy fanodinam-bokatra ary indostria mpamokatra fiara. Mirohatra makany avokoa ireo mpandraharaha vahiny mampiasa ny volany. Ny taona 2018 izao, 2 miliara Dolara ny tahan’ny fampiasam-bola vahiny tonga tao Kigali. Ary ambonin’izay, miisa 173 ny tetik’asa fampandrosoana miforona  ho famoronana asa aman’aliny maro sy fanondranana mihoampampana.

Laisser un commentaire