Comores : Ao anaty fanairana ny nosy taorian’ny nahitana ny tsimok’aretina Marburg tao Tanzanie
Tsimok’aretina sokajian’ny OMS (Organisation mondiale de la santé) tena mampididoza ny Marburg. Miseho amin’ny alalan’ny fiakaran’ny tazo mahery, fandoavana, fivalanana mety miaro rà izy io, mikasika taova maro ao amin’ny vatana ary mampihena ny fahafahan’ny vatana miasa ara-dalàna.
Manoloana ny trangam-pahafatesana enina voktr’io tsimok’aretina io tao Tanzanie dia nampidirina ao anaty fanairana (alerte) ny nosy Comores. Antony ny fifamezivezena mponin’i Comores manodidina ny 240 isan-kerinandro ao amin’io firenena voakasika io. Manoloana izany dia efa miomana amin’ny fahetrahana mpiambina eo amin’ny sisin-taniny ny nosy.
Tsimok’aretina manakaiky ny Ebola ny Marburg, mety mahatratra hatramin’ny 80% ny taham-pahafatesana aterany, ka manahy ny amin’ny fihanany ny OMS.
