Dépêches

Fotodrafitr’asa: Horaisin’ny Fitondram-panjakana ny fanamboarana ny lalana eto Antananarivo

Dépêche 06 avril, 12h, Ny lalana manerana an’ny Antananarivo izay efa tena ratsy sy simba avokoa, efa miroso amin’ny fanamboarana izany ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Noraisin’ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Ministeran’ny asa vaventy anefa ny fanamboarana ireo lalana tena ratsy. Izany dia noho ny fahatsapana ny fiantrailan’ny lalana ratsy amin’ny fifamoivoizana. Araka izany dia hisy ny “appels d’offres restreint” hahafahana manao ireo asa hamehana sy hanampiana ireo mpampiasa lalana. Miisa 42 ireo ampahan-dalana horaisin’ny Fanjakana Foibe ny fanamboarana azy.

Laisser un commentaire