ActualitésTsidika

Toliara : Fanamafisam-pahalalana ireo mpampiofana mahakasika ny angovo avy amin’ny masoandro

Nahavita fiofanana an-tsoratra ireto mpampiofana mahakasika ny fametahana sy fikojakojana ireo « solaire PV » ao Toliara ireto. Taorian’izay dia niroso tamin’ny fampiharana avy hatrany izy ireo hahafana manamafy ireo izay efa hay. Mbola ao anatin’ny hetsika tanterahin’ny GIZ amin’ny alalan’ny PERER III hatrany izany fampiofanana izany.

« Ny tanjona tamin’ity hetsika ity dia ny ahafahana manatsara ny fahaizan’ny mpampianatra sy manamafy ny fifandraisana eo amin’ny mpampiofana sy ny orinasa tompon’andraikitry ny tetik’asa. Anisan’ny tanjona lehibe iray ihany koa ny ahafahana mamokatra herinaratra ambony hiadiana amin’ireo olana isan-karazany aterak’izany. Aorian’izao dia ireto mpampiofana nofanina ireto indray no hampita izany fahalalany izany amin’ny mpianatra ao Toliara », hoy ny avy ao amin’ny GIZ izay tompon’ny tetik’asa.

Marihina fa ny fampiofanana izay hatolotra ireo tanora ao Toliara ao amin’ny LTP ity dia misokatra ho an’ireo izay mbola tsy manana ny diplaoma BAC raha mila manana ny diplaoma Master kosa ny fampiofanana hatolotra ao amin’ny Oniversiten’ny Toliara. « Tanora voaofana sy miasa mivantana no tanjon’izy ireo, fa ihany koa hampiroborobo ny fananan’asa sy hanamafisana ny fifandraisan’ny ivon-toeram-piofanana sy ny orinasa isan-tokony », hoy hatrany ny fanazavana.

Fanomezan-danja ny tanora sy ny fanampiana azy ireo ny fampiofanana izay hatolotra ka tsara raha olona efa tsara omana no manome izany ho azy ireo. Izany indrindra no anton’ny fampiofanana ireto mpampiofana ireto. Fanararaotra ity idnrindra ho an’ny tanora, hivoaka miandalana eny hatrany moa ny fandaharam-potoana rehetra.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire