Fitaterana: Nahitsy ho 20 000ariary ny saran-dalana makany Antsirabe avy eto Antananarivo amin’izao paka izao
Dépêche 06 avril, 11h, Paka Antsirabe, izany no malaza rehefa fetin’ny Paka toy izao ka mifamotoana any an-toerana avokoa ny olona. Hatramin’izay ka hatramin’izao dia mbola mahaliana ny olona hatrany izany. Araka izany dia mitombo noho ny isan’andro ny isan’ny mpandeha fiara fitateram-bahoaka rehefa amin’zany vanim-potoana izany. Nahitsy ho 20 000ariary araka izany saran-dalana makany an-toerana mandritra ity fety ity. Hiverina amin’ny laoniny kosa izany aorian’ny fety izay hijanona ho 12 000ariary ihany. Ny anton’izany moa dia mba hahafahana manatsara ny tolotra mandritra ny fety. Eo ihany koa ny fitombon’ny isan’ny mpandeha ka hisy ny fiara hiakatra tsy mitondra olona haka ireo mpandeha avy aty andrenivohitra fotsiny.
