Famindrana toerana ireo tokantrano voakasiky ny tetik’asa PRODUIR
26 Aogositra, 10:10. Tokantrano miisa 84 no tsy maintsy hafindra toerana noho ny tetik’asa fanadiovana ny manodidina ny lakan-drano C3 izay sahanin’ny PRODUIR” Projet de Développement Urbain Intégré et de Résilience”. Ao Andavamamba no hapetraka ny toeram-ponenana vaovao . Ahitana trano miisa 29 izay hitsinjara ho efitrano 87 ary efa misy rano fisotro madio sy fotodrafitrasa samihafa toy ny fanasan-damba sy tsena ao an-toerana. Tanjona amin’izao ny hanalana an’ireo mponina ireo amin’ny fahasahiranana sy fampandrosoana ny tanàna.
