Dépêches

Mikasika ny fizarana tapakila amin’ny lalao Barea sy ny fitokanana ny kianja

26 Aogositra, 09:00. Hatao ny 28 hatramin’ny 31 Aogositra ho avy izao ny fizarana tapakila maimaimpoana ho an’ireo maniry hanatrika ny lanonana ofisialy hitokanana ny Kianja Barea sy hijerena ny lalao hifandonan’i Madagasikara amin’i Bénin. Tsy maintsy mitondra karapanondrom-pirenena avokoa ireo rehetra maka ny tapakila. Ary tsy maintsy entina miaraka maka ny tapakila fidirana ireo latsaky ny 18 taona. Ho lazaina miandalana ny toerana hizarana ny tapakila, saingy tsara ho fantatra fa “tsy eny amin’ny fokontany intsony ny fakana izany” raha ny nambaran’ny Talen’ny Kabinetra eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika, Ranoromaro Lova Hasinirina.

Laisser un commentaire