SocialTsidika

Mitaraina ireo vahoaka mampiasa ny lalana mampitohy an’ i Mandritsara amin’ny Marotandrano

Velon-taraina ireo vahoaka mampiasa ny lalana mampitohy an’i Mandritsara amin’ i Marotandrano noho ny tsy fahampian’ ny fiara mpitatitra olona sy ny fiakaran’ ny saran- dalana.

Efa tsara sy voambotra ny lalana anefa ka miantso ny tompon’andraikim-panjakana ny vahoaka any an-toerana hamaha ny olana.

« Efa nampanantena ny Ben’ny tanàna fa rehefa voamboatra ny lalana dia midina ny saran-dalana raha 12 000 Ar lasa 10 000 Ar. Ary tsy ferana ny fiara mpitatitra hiasa ao anatin’ny kaominina Marotandrano raha toa ka mahafeno fepetra mandoa ny vola 40 000 Ar » hoy Randrianantenaina Clavet, lefitry ny sefo Fokontany ao Marotandrano. « Nimenomenona ireo mpamily fa ratsy ny lalana ka nampiakarina ny saran-dalana, vita indray ity ny lalana vao maika nampikarina indray ilay izy, izahay vahoaka madinika izany ahoana ? » hoy i Flavien, mponina any an-toerana. « Ny mponina anefa tsy maintsy mandeha fiara noho ireo fivelomany, ny kely azo anefa omena ny hafa amin’ny saran-dalana indray, mila miditra an-tsehatra mihitsy ny fanjakana mba hijery ny vahoaka eny ifotony » hoy i Tsiferana, mpanidinika ny toe-karena ao Anktso.

Tsy any Marotandrano ihany no misy izany fanararaotana eo amin’ny saran-dalana izany fa faritra maro izay tena tokony hojeren’ireo solontenam-panajkana voafidy tany mihitsy. Rahoviana vao tsy hitaraina intsony ny vahoaka ka handry finaritra eto amin’ny taniny ? Vokatry ny tsy fandraisana andraikitra ve ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire