PolitiqueTsidika

Fa inona tokoa no nahazo an’i Fanirisoa Erinaivo ?

Voasambotry ny polisy teto amin’ny Longchamp, toerana hanatanterahina ny REF 2021, i Fanirisoa ERNAIVO ny 25 aogositra lasa teo. Izy izay filohan’ny mpanohitra mivondrona ao amin’ny RMDM (Rassemblement Militant pour la Démocratie à Madagascar) sampana Diaspora.

Niditra teo amin’ny faritra hanaovana fivoriana nanao aro vava orona mena, nihodinkodina tao an- toerana, hitan’ireo mpiambina ny Filoha Malagasy ary nosamborina avy hatrany, raha ny fanazavana. Tsy vitan’izay fa nisandoka ho mpanao gazety ka tsy maintsy notazomina hanaovana ny fanadihadihana. « Navela nandeha ary nahazo fampitandreamana tamin’ny polisy Frantsay izy no mbola mikiribiby tahaka izao ihany hany ka tsy maintsy nosamborina » hoy i Haja, Malagasy any France.

« Mizaka ny zom-pirenena Frantsay aho ka tsy hiverina ho tsaraina any Madagasikara  » hoy i Fanirisoa Erinaivo. Tsy nangina izy taorian’io fa mbola niteny hoe « mbola tsy teraka ny olona hisambotra ahy ». « Hatrany ivelany mbola mifanenjika ihany » hoy ny sasany.

Tsy afaka maneho hevitra tokoa ve rehefa eto an-toerana hany ka any ivelany sisa no maneho hevitra ? Mbola lonilony ihany koa ve ny nisamborana azy ? Fisandohana ho mpanao gazety sa fanakorotanana sa lonilony fotsiny no nisamborana azy ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire