SocialTatitra

Nouvelle-Calédonie : Mandalo fotoan-tsarotra ny orinasa mpamokatra Nickel

Mandalo fahasahiranana ireo orinasa telo mpisehatra sy mpanodina ny akora fototra Nickel, any Nouvelle-Calédonie, amin’izao fotoana. Tsy zakan’ireo mpamokatra ao an-toerana intsony ny fahalafosan’ny angovo ampiasaina, manampy izany ny faharatsian’ny kalitao eo amin’ny famokarana ary ny fahamafisan’ny fifaninanana eo amin’ireo vahiny. Vokany, nanatanteraka fitokonana ireo mpiasa tao an-toerana ho fanairana ireo tomponandraikitra mahakasika ny mety ho fatiantoka hiseho raha tsy misy ny fandraisana fepetra sy ho fanarenana ity sehatra ity.

Laisser un commentaire