ActualitésTsidika

Alasora : Nohamafisina ny fiaraha-miasa eo amin’ny polisy sy ny fokontany amin’ny fandriam-pahalemana

Nisy ny fivoriana notanterahan’ny polisim-pirenena ao Alasora, niaraka tamin’ireo lehiben’ny fokontany avy ao an-toerana, ny alarobia teo. Nandritra izany no niresahana ireo fanatsarana ny asa sy fandaminana ny tanàna, mahakasika ny tsy fanarahan-dalana sy ny fandriampahalemana ao an-toerana.

« Nohamafisina ny fiaraha-miasa eo amin’ny Polisy sy ireo fokontany ary fiaraha-mentana amin’ny ireo fepetra raisina ho fiadiana amin’ireo tranga tsy fanarahan-dalana sy ny tsy fandriam-pahalemana miseho eto Alasora. Izao no natao dia ny hamerenena amin’ny tokony ho izy ny hasin’ny tanàna sy ny filaminana » hoy ny avy amin’ny CSP Alasora.

« Manolona ny zava-misy sy ny tsy fandriam-pahalemana miseho lany amin’izao fotoana, tokony ahetsika avokoa ireo komity isam-pokotany sy ny vatan-dehilahy mba hiaro ny tanàna amin’ny alalan’ny fiambenana sy ny andrimasom-pokonolona. Tena mahomby izy ireo enti-miady amin’ny asa ratsy sy ho fanampiana ireo mpitandro filaminana amin’ny famongorana ny olon-dratsy » hoy i Seta, mponina ao Alasora.

Zava-dehibe amin’ny fandrindrana ny tanàna ny fiaraha-mientana ho fampanjakana ny fandriam-pahalemana. Tsy vitan’olo-tokana tokoa izany fa ilaina ny fifanomezan-tanana sy ny tan-tsoroka avy amin’ny tsirairay.

Laisser un commentaire