Ukraine : Nangataka amin’ny firenena mikambana sy ny sampana vokovoko mena hanokatra fanadihadiana momba ilay fianjerana fiaramanidina tao Belgorod
Nanao fangatahana tamin’ny firenena mikambana (ONU) sy ny sampana vokovoko mena (Croix rouge) ireo mpiaro ny zon’olombelona okrainianina, mba hanao fizahana ny toerana nitrangan’ilay fianjerana fiaramanidina tao Belgorod, ny alarobia lasa teo. Araka ny voalaza, nanao fivoriana maika, omaly alakamisy ny vondron’ny firenena mikambana, nandinihina ny fangatahan’i Russie. Ity farany izay niampanga an’i Ukraine ho nitifitra ilay fiara manidin’ny tafika, ka nahatonga ny fianjerana tao an-toerana io. Tsiahivina fa nitondra mpandeha miisa 74, ny 65 amin’izy ireo izay babo an’ady Okrainianina, izay samy namoy ny ainy avokoa izay nokasaina hifanakalozana amin’ny tafika rosianina.
