ActualitésTatitra

France : Vehivavy iray no nikasa namono tena ary nanendrikendrika ny olo-tiany taloha

Vehivavy iray 36 taona no nitsambikina tao amin’ny renirano Garonne amin’ny tetezana Saint-Michel tao Toulouse, Haute-Garonne. Vetivety ihany ireo mpamonjy voina dia tonga tao an-toerana ka avotra soa aman-tsara ilahy vehivavy.

Rehefa natao anefa ny fanadihadiana dia nilaza io vehivavy io fa ny olo-tiany taloha no nikasi-tanana azy ary nanosika azy tao amin’ny rano. Manoloana izany dia nosamborina io lehilahy io izay mpifindra-monina tsy ara-dalàna. Nandà ny zava-nisy hatramin’ny farany izy ary ilay vehivavy no nitsotra fa nikasa namono tena izy noho ny olona ara-pitiavana.

Efa mikatona kosa ny raharaha saingy notanana am-ponja ilay lehilahy noho ny tsy fananany taratasy ara-dalàna hitoerana ao France.

Laisser un commentaire