France : Renim-pianakaviana iray no hita faty tao an-tranony
Vehivavy manan-janaka 5 manodidina ny 4 hatramin’ny 14 taona i Isabelle Gabens, 36 taona. Hita faty tao an-tranonany tao Lamothe-Capdeville, tsy lavitr’i Montauban izy ny alatsinainy teo. Rehefa tonga tao amin’ny trano fonenany ireo manam-pahefana dia efa tsy nisy azo natao intsony nanavotana ny ainy.
Raha ny dinika voalohany hitan’ireo manam-pahefana dia maty voatsatoky ny antsy im-betsaka teo amin’ny tratrany io renim-pianakaviana io. Avy hatrany dia nitodika tany amin’ny olo-tiany, Sébastien Bettencourt izay nitsoaka talohan’ny polisy ny ahiahy. Rehefa natao ny fikarohana dia hita ihany ity farany ary efa eo am-pelatanan’ny manam-pahefana.
Fianakavian’i Isabelle Gabens kosa no mandray an-tanana ireo zanany amin’izao fotoana.
