Ny zanadrano
Ny zanadrano dia olombelona ihany fa ny fombafomba ara-panahy vitany no mampiavaka azy, miainga avy amin’io avokoa ny filomanosana ao amin’ny tontolo ara-panahy rehetra teo amin’ny Ntaolo Malagasy.
Ny nahatonga ny anarany hoe “Zanadrano” dia noho izy ireo mpitety ireo karazan-tendrombohitra manana ny hasiny noho ny hiraka nomen’ny Zanahary na koa noho ny finiavana andeha hidio ara-panahy. Ireo karazan-tendrombohitra ireo dia samy manana ireto toetra iraisana ireto: Misy loharano ao anatiny na ety ivelany ; mihorina ambony haram-bato izay mety ho hita na tsia avy ety ivelany ; vohitra nandalovana na nonenan’ny Zanahary ka matetika ny avy any anaty ala sy ny an-tanety no miaraka eo.
Noho ny fitetezana ireo karazan-tendrombohitra ireo no naharaikitra ny anarana hoe: “Zanadrano” satria tsy hitsangatsangana na hizaha lanonana no alehan’izy ireo eny fa mandro amin’ny rano sy mangatam-pitahiana amin’ireo Zanahary izay monina eo amin’io toerana io.
Ny hevitry ny mangatam-pitahiana amin’ny Zanahary teo amin’ny fiainana ara-panahin’ny Ntaolo Malagasy dia ny fandraisana hitoetra amin’ny vatana, amin’ny alalan’ny fandroana amin’ilay rano voalaza etsy ambony, ireo hasim-panahin’ireo Zanahary eo amin’io vohitra io.
Izay hasim-panahy mitoetra amin’ny vatana izany no lasa “rohin’aina” toa ny tadim-poitra mampifandray ilay Zanadrano amin’ny Zanahary ka rehefa miantso ireo Zanahary ny Zanadrano dia miampita amin’ny alalan’io rohin’aina io ny heritreriny ka voarain’ireo Zanahary ary mandrisika azy hanatanteraka izany. Mba hampitoetra sy ahamafy io rohin’aina io ihany koa no hanomezan’ireo Zanahary ny torohevitra sy toro-lalana ho an’ilay Zanadrano mahakasika ny fikarakarana ny tenany sy ny mpiara-monina ary ny mpiara-belona aminy.
Rehefa mahomby, izany hoe mihamaro ny fanampiana sy famonjena natao ny hafa, ny fiarahana amin’ireo Zanahary dia misandratra ho “MPANAZARY” ilay Zanadrano teo aloha.
Mandritra ny fombafomban-Janahary ataony dia efa afaka misafidy sahady izay tanjona iriny ny Zanadrano iray satria rehefa vita izany fomba izany dia afaka misafidy talenta manokana amin’ny fanandroana, sikidy, fitsaboana, fanorana izy; azo atao tokoa nefa ny misafidy izy rehetra ireo miaraka nefa kosa dia samy manana ny hatsarany sy ny lafiratsiny ireo.
