Chine : Miady amin’ny areti-maso mpahazo ireo tanora
Miha-maro hatrany ireo olona any Chine no manao solomaso amin’izao fotoana. Araka ny nambaran’ny OMS, any Chine no firenena betsaka olona tratran’ny “myope” indrindra, izay 600 tapitrisa amin’ireo mponina 1 400 tapitrisa. Niakatra ho 50,2% ny tahan’ny “myopie” ao amin’ny tanora sy ny adolantsento ny taona 2019 tany amin’ity firenena ity. Nihoatra ny 40% izany teo amin’ny ankizy sy ny zaza ny taona lasa noho ny fisian’ny valan’aretina covid-19 ka voatery nanaovana ny fianarana ampitain-davitra. Mba hifehezana ity valan’aretina “myopie” any an-toerana ity, mikasa ny hampiditra ao anatin’ireo fenitra takiana mba hidirana eny amin’ny ambaratonga ambony ny hatsaran’ny fahitana sy ny hatavezana ny tanànan’i Changzhi, ao amin’ny faritanin’I Shanxi manomboka ny taona ho avy io. Tamin’ny 2018, nanangana drafitra hiadiana amin’ny “myopie” ao amin’ireo zaza tsy ampy taona ny governemanta Chinois. Tafiditra tao anatin’izany ny fandrarana azy ireo tsy hilalao “jeux video” eo anelanelan’ny amin’ny 10h alina sy amin’ny 8h maraina, sy ny tsy fampiasana finday any an-tsekoly
