ActualitésTsidika

Kolontsaina : Manohana hatrany ireo mpilalao teatra ny Ministera

Nomarihina tao amin’ny Ivonkolo Analakely ny andro maneran-tany ho an’ny teatra. Hetsika nahasarika mpijery maro izay nokarakarain’ny Minisietran’ny serasera sy ny kolontsaina niaraha-niasa amin’ny Fikambanan’ny Mpanao Teatra Malagasy.

« Tantara tsangana roa dia « Golgota » nolalaovin’ny Sakaizan’ny Teatra Malagasy LJJ Rabearivelo sy « Tafiotra ?? » nolalaovin’ny Tropy Ilo. Noravahana hira teatraly nentin’ny Fikmabanan’ny mpanao teatra Malagasy ny hetsika » hoy ny avy ao amin’ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina. « Mitohy ny fanohanana ny sehatry ny teatra malagasy. Nandalo fotoan-tsarotra nandritra ny taona maro noho ny tsy fisian’ny toerana ahafahana maneho an’izany zava-kanto izany. Ankehitriny efa miroborobo hatrany izany » hoy ny Ministra Andriatongarivo Lalatiana. « Mankasitraka indrindra amin’ny fanohanana anay tanora mpisehatra amin’ity tontolo iray ity. Mamporisika anay hatrany handroso izao fanohanana izao » hoy i Diary, mpilalao teatra Malagasy.

Ny teatra dia ho isan’ireo taranja hampianarina ao amin’ny « Académie Nationale des Arts et de la Culture ». Tsara ihany koa raha mifanohana hatrany isika vahoaka. Zava-poana mantsy ny lalao teatra raha tsy misy mpankafy sy mpijery. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire