SocialTsidika

Sambava : Voalaza fa misy raim-pianakaviana nivaro-janaka

Zaza tsy ampy 18 taona miisa 05 no voalaza fa namidy natakalo fitaovana ahafahana miaina tao Mahadera‚ kaominina Andrebona‚ Distrikan’i Sambava‚ faritra Sava. Zaza 09 natakalo vilany manara-penitra‚ zaza 08 taona natakalo lamba firakofana‚ zaza 06 taona natakalo lamba iray valizy misy kodiarana. Zaza 05 taona natakalo lamba maromaro ary zaza 04 taona natakalo vary feno siny kely miisa 03.

« Sarotra loatra ny fiainana. Miakatra ny vidim-piainana izay efa mihoapapana loatra ka tsy zaka” hoy ity raim-pianakaviana ity. « Tafiakatra hatramin’ny 1 000 Ar ny vidim-bary aty Sambava ankehitriny. Miisa 10 ny zanak’ireto mpivady ireto. Efa nokasaina hamidy tahaka izao avokoa izy rehetra saingy nihemotra tamin’ny fanapahan-kevitra ireto farany rehefa natao famotorana » hoy ny tao amin’ny Kaominina.

Nilaza ny hamerina ireo zanany efa namidiny izy ireo. Nikaiky ny hadisoana nataony ihany koa.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire