ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Nisy vokany ny ezaka nataon’ny zandarimaria

Lehilahy iray no tratran’ny zandarimaria avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Ambohimanambola ny faran’ny herinandro teo, rehefa nanaovana fikarohana manoloana ny heloka vitany. Voalaza fa nikasa hanolana vehivavy ity farany ary efa mpanao ny asa ratsiny amin’ny fanendahana ireo mponina tafody hariva, ao amin’ny fokontany Tanjonandriana, kaominina Ambohimanambola.

« Ny harivan’ny alakamisy teo, nisy nampandre ny avy amin’ny mpitandro filaminana fa hisy fanafina tao amin’ity fokontany ity, rehefa nirotsaka an-tsehatra anefa ny zandary dia tsy izay no nitranga fa ity lehilahy ity no nikasa hanolana vehivavy, tamin’ny elakelan-trano, nanohitra ity farany ka nanaikitra ny ankihibe tanany ka izay no nahafahana nanao ny fikarohana » hoy ny avy amin’ny zandarimaria.

« Rehefa natao ny angom-baovao sy ny fampitan-baovao avy amin’ny olona tsara sitra-po, ny zoma ihany dia voasambotra tao an-tranony tao Tanjonandriana ity olon-dratsy ity. Nihaiky ny heloka vitany izy nandritra ny fanadihadiana natao azy » hoy hatrany ny fanazavana.

Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny zandarimaria, ary manentana ny mponina hatrany izy ireo amin’ny tana-maron’ny fandriam-pahalemana. Tsy tokony hatahotra ny mpitandro filaminanan ny mponina fa hahasahy hampandre ny zandary raha misy ny mampiahiahy. Ny laharana 0 34 24 002 78 no ahafahana mahazo ny zandary ao an-toerana.

Manitra R.

Laisser un commentaire