ActualitésTatitra

La Réunion : Mivoatra ny endriky ny toerana mpampiantrano ny mpiala sasatra

Maro ireo toerana miavaka sy hafakely azo hiantranoana mandritra ny fialan-tsasatra ao La Réunion. Vao tsy ela akory ireo tompon’andraikitry ny hotely Kaz Insolite no namorona ny « dôme transparent » izay toerana fatoriana ahafahana mitazana ny any ivelany.

Ao Makes no misy io toerana miavaka io. Misy « bulle transparent » enina azo hofaina ao amin’izany. Nanazava kosa ny mpitantana ny toerana fa ny fatoriana toy ny ankalamanjana, afaka mitazana ny kintana sy ny zava-boahary no tanjona amin’io fatoriana hafakely io. Mahazaka olona 2 hatramin’ny 5 kosa ny efitra iray ary toeram-pivoahana.

249 Euros/alina kosa ny hofan’iray amin’ireo « bulle transparent » ireo, 289 Euros kosa izany raha misy « jacuzzi » na ho an’ny fianakaviana. Marihina fa ahitana io karazana « dôme » io ihany koa ao Petite-île sy Saint-Joseph.

Laisser un commentaire