Dépêches

Talatamaty Ambohidratrimo : Tratra ireo jiolahy nanafika teratany sinoa.

Dépêche 11 janvier, 14h, Andian-jiolahy nisaron-tava no niditra an-keriny tao amina tokantranona teratany Sinoa. Nandritra izany no namonoan’ireto olondratsy ilay lehilahy teratany Sinoa 67 taona ary nandratràn’izy ireo ilay vehivavy Sinoa 52 tao ihany koa. Mbola nofaohon’ireto tsy mataho-tody ny finday anankiroa niaraka tamin’ny vola 50 tapitrisa ariary. Rehefa nanao ny fanarahan-dia, fikarohana sy ny fanadihadiana rehetra ny Zandarimarian’Ambohidratrimo dia telolahy tamin’izy ireo voasambotra. Mbola nahatrarana vola 3 594 700ariary tamin’izy ireo, ary nogiazana ihany koa ireo ireo moto novidiana tamin’ny vola halatra niaraka tamin’ny fahitalavitra. Nisy ireo mpiray tsikombakomba tamin’ireo olondratsy ireo tsy maintsy notazomina anaovana fanadihadiana.

Laisser un commentaire