Raharaha rongona maina sy lena, olona 27 voasambotra
23 Jona, 09h57. Velaran-tanin-drongony sahabo ho 61 ha no nopotehina izay nahasaronana rongony maniry 470.000 fototra sahabo ho 94 taonina, rongony efa maina 46.370 kg ary voan-drongony 45 kg. Nahitana basy vita gasy ihany koa tamin’ireo Andian’olona miisa 27 mpamboly rongony teny antoerana ka ny roa amin’izy ireo dia jiolahy mpamongady (gros bonnets). Nopotehina avy hatrany teny ifotony ireo rongony lena sy maina raha ny 6 taonina maina kosa nodorana teo anatrehan’ny manampahefana sy ny mpanao gazety.
