Ihosy: Rongony 547 Kg sarona
23 Jona, 10h12. Rongony 55 gony mitotaly 547 kg no sarona tao Androketamalama, fokontany Andrera, kominina Soamatasy, distrika Ihosy, faritra Ihorombe, ny alin’ny faha 20 jona 2021.Vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny mponina tao antoerana no nahasaronana ireo rongony ireo. Noraisim-potsiny tao antranony ny tompon’ireo rongony niaraka tamin’ny rongony telo gony hafa rehefa nosavaina araka ny fahazoan-dalana avy tamin’ny Fampanoavana.
