Fisolokina : Lehilahy mpampiasa karapanondro hosoka saron’ny polisy
Lehilahy iray mpampiasa karapanondro hosoka no tra-tehaky ny polisy avy ao amin’ny « surveillance du territoire ». ampiasain’ity farany amin’ny resaka varotra sy taratasy any amin’ny banky izany karapanondro hosoka izany. Miisa 07 ihany koa ireo olona tratran’ny polisy misahana ny fanadihadiana manokana, nampiasa fanamarinam-ponenana sandoka sy taratasin’asa sandoka rehefa nanao pasipaoro tetsy Anosy.
