Dépêches

Sosialy : Hamafisina ny fisitrahana fitsaboana ’ireo olona manana fahasembanana

Dépêche 27 octobre, 14h, Mbola sarotra amin’ireo olona manana fahasembanana ny fisitrahana ny fitsaboana manara-penitra noho ny antony maro. Araka ny fanisana farany anefa dia ny 0,6% amin’ny Malagasy dia voasokajy ho ao anatin’izany olona manana fahasembanana izany. Hisy ny hatrik’asa handinihana sy hitadiavana vahaolana ahafahan’izy ireo misitraka feno ny zony amin’ny sehatry ny fahasalamana. Fikambanana maro misehatra amin’ny fiarovana ny zon’ny olombelona manana fahasembanana no hiatrika izany. Hitana anjara betsaka amin’izany hatrik’asa izany ny resaka fahasalaman’ny taovam-pananahana sy ny fandrindrana fiainam-pianakaviana.

Laisser un commentaire