Nosy Be : Mahatsiaro ho ankilabao ireo mpisehatra ara-pizahantany
22 Novambra, 09h00. Fanamiana miloko mainty niaraka tamin’ny sorabaventy no nanehoan’ireo mpisehatra ara-pizahantany maro, ny alahelo sy ny fahadisoam-panantenan’izy ireo amin’ny tsy fisian’ny sidina avy any ivelany ho tonga tao Nosy Be mba nantenaina hitondra mpizahatany, hatramin’ny 23 oktobra 2021 nambaran’ny fanjakana fa nisokafan’ny sisintany amin’ireo Nosy manodidina, sy ny 6 novambra nisokafan’ny sisintany amin’i Eorôpa. Nisy olona maro mahatsiaro mangirifiry amin’ny fikatsoan’ny asa fihariana amin’ny tsy fisian’ny mpizahatany. Tondroin’ireo mpanao fihetsiketsehana ho manavakavaka ny fitondram-panjakana satria Antananarivo ihany mahazo sidina avy ivelany, ka nahatonga azy ireo nanao izao hetsika izao mba hikatsaham-bahaolana.
