Sabotsy Namehana: Ilaina ny firaisan-kina amin’ny fanoherana ny tsy rariny
Efa maro ireo mpandeha mitaraina manoloana ny tsy fanajana ny zon’izy ireo hataon’ny fiara fitateram-bahoaka, miasa ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana. Tsy vitan’ny miodina an-dalana fa manary an-dalana ireo fiara mpitatitra miasa ao an-toerana. Anisan’ny fihetsika mahomby ary azo hiadiana amin’ny tsy rariny ny fanehoana ny firaisan-kina ataon’ny mpandeha raha sendra ny mpamily tsy manara-dalàna, hoy ireo mpandeha fiara iombonana ao an-toerana.
“Anisan’ny olana eo amin’ny resaka fitateram-bahoaka ny tsy fanajana ny zon’ny mpanjifa, ankoatra ny tsy fanajana ny bokin’andraikitra. Efa maro ireo mpandeha ny mitaraina hatrany, ary miandry ny fandraisana andraikitra avy amin’ny kaoperativa sy ny tomponandraikitra isan-tsokajiny” hoy I Randria, mpandeha fiara fitateram-bahoaka.
“Ilaina ny fahasahiana amin’ny zavatra rehetra, indrindra amin’ny fanoherana ny tsy rariny. Maro ny endrika tsy fanajana ny zon’ny mpanjifa miseho hataon’ny mpitatitra. Hery lehibe afaka entina miady amin’izy anefa ny firaisan-kina ny rehetra, ao anatin’izany ihany ny fampanarahan-dalàna” hoy I Hanta, mponina ao Sabotsy Namehana.
Manana anjara andraikitra ny olom-pirenena rehetra amin’ny fanoherana ny tsy fanarahan-dalàna samy hafa. Ilaina ihany koa anefa ao anatin’izany ny mampiantso ny mpitandro filaminana hirotsaka an-tsehatra, hampilamina ny zava-misy ara-dalàna.
Manitra Ramanantsoa
