Ankadikely Ilafy : Mila jerena ny fiantsoan’ireo fiara amin’ny sisin-dalana
Manao antso avo amin’ny tomponandraikitra ireo mpampiasa ny lalana ao amin’ny fokontany Manjaka Ilafy, noho ny fisian’ireo fiara mijanonana amin’ny sisin-dalana. Sady manery ny arabe no miteraka fitohanana izany, araka ny voalaza.
« Manao antso avo amin’ireo tomponandraikitra eto amin’ny fokontany mba hijery ary handray fepetra ny mahakasika ireo fiara mijanona amin’ny sisin’arabe fa anisan’ny manelingelina ny fifamoivoizana eto an-toerana ary mijaly ireo mpitondra fiara sy tongo-droa noho ny fahateren’ny lalana» hoy i Rado, mpitondra fiara.
« Raha ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana tsy tokony azon’ny fiara atao ny mijanona amin’ny sisin-dalana kanefa raha jerena ny zava-misy eto amintsika, maro ireo fiara tsy manana garage fa dia mameno ny sisin’arabe eny. Miteraka olana maro izy ireny ka tokony ahatsapa tena ny tsirairay satria raha tsy miova ny toe-tsaina, tsy handroso mihitsy isika » hoy i Safidy, mpianatra lalàna.
Raràn’ny lalàna ny fiantsonan’ny fiara amin’ny sisin’arabe. Miandry ny fandraisana andraikitry ny fokontany sy ireo sehatra hiantefan’izany, araka izany ireo mponina sy mpampiasa ny lalana ao an-toerana, manoloana izao tranga izao.
