Comores : Nitombo ny mpandray anjara tamin’ny tsenaben’ny asa tanana
Nosokafan’ny Alliance française tao Moroni sy ny « maison de couture et d’artisanat, Harmony Tropic» ny zoma teo ny andiany fahatelon’ny tsenaben’ny asa tanana tao an-toerana. Notontosaina tao amin’ny trano fisakafoanana Wee Café ny AFM io hetsika io izay nifarana omaly 5 desambra.
Nitombo ny mpandray anjara tamin’io andiany fahatelo io na teo amin’ny mpivarotra na teo amin’ny mpanjifa hoy i Chafiat Salim, avy ao amin’ny orinasa Wujiva. Manodidina ny 20 ny orinasa nampiranty ny vokany nandritra ny hetsika ary maro ny karazam-bokatra hita tamin’izany : « cosmétiques », firavaka vita amin’ny akora voahodina, lamaody, voninkazo voajanahary…
Marihana fa varotra asa tanana farany ho an’ity taona 2022 ity io notontosaina io. Raha maro ireo orinasa vaovao nampahafantatra ny vokany fotsiny tamin’ity andiany ity dia mikasa ny hiditra amin’ny varotra kokoa amin’izay izy ireo amin’ny taona ho avy.
