Ankadikely Ilafy: Manentana ny mponina amin’ny ady amin’ny aretina Covid-19 ny kaominina
Nahitam-piakarany ny tahan’ny olona voa ary nahitana ny soritr’aretina corona virus, raha ny tatitra navoakan’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka farany teo no jerena. Manoloana izany indrindra, manentana ireo mponina amin’ny fiadiana amin’izany ny kaominina ao Ankadikely Ilafy.
“Mbola misy ny aretina corona virus amin’izao fotoana izao, eto amin’ny firenena, ka ilaina tokoa ny fitandremana sy ny fahamailon’ny tsirairay ka tokony samy hanaja hatrany ireo fietsika sakana ara-pahasalamana ho fiarovana ny tena sy ny hafa” hoy ny avy amin’ny kaominina.
“Anisan’ny fiarovana tsara indrindra ihany koa anefa fanaovana vaksiny izay hanentanana ny rehetra hanatona sy hanao izany ety anivon’ny CSB II Ankadikely, na ireo tsy mbola nahavita mihitsy na ireo izay hanao ny fatra faharoa . Isan’andro no fandraisana ireo izay vonona ny amin’izany” hoy hatrany ny avy amin’ny kaominina.
Anisan’ny fepetra lehibe mahomby amin’ny fiarovana amin’ny valan’aretina covid-19 ny fanaovam-bakisiny. Ny ministera misahana ny fahasalamana ihany koa dia anisan’ny manao izany fanentanana izany. Tsy tokony atao ambanin-javatra ihany koa anefa ny fanajana ireo fepetra sakana isan-karazany mba ho fiarovana ny tena sy ny hafa.
Manitra Ramanantsoa
