ActualitésTatitra

France : Voarohirohy nanolana sy nanodikodina zaza tsy ampy taona i Norman Thavaud

« Youtubeur » frantsay fahatelo be mpanaraka indrindra i Norman Thavaud, 35 taona izay manana mpanaraka manodidina ny 12 miliara ao amin’ny pejiny « Norman ». Nosamborina ny alatsinainy teo nohon’ny raharaha fanolanana sy fanodikodina zaza tsy ampy taona izy.

Efa mahatratra 6 ny vehivavy nitory an’i Norman Thavaud. Tamin’ny taona 2020 ny voalohany tamin’izany. Tovovavy mpankafia azy 16 taona antsoina hoe Maggie Desmarais no nitory azy tamin’izany. Nilaza io tovovavy io fa nangataka sary sy horonantsary niboridana taminy i Norman Thavaud.

Nandefa tokoa ny tovovavy ary niova « chantage émotionnel » tsikelikely ny fifandraisan’izy ireo. Taorian’ny fanambaran’i Maggie Desmarais io tranga nahazo azy io dia tovovavy manodidina ny 30 hafa ihany koa no nanameloka an’i Norman Thavaud. 5 tamin’izy ireo niaraka tamin’i Maggie Desmarais no nitory azy.

Laisser un commentaire