Maurice : Tovolahy nandrahona tamin’ny antsy ny mpandraharaha iray
Karohin’ny polisy fatratra amin’izao fotoana izao, ilay zazalahy nandrahona tamin’ny antsy ny Mpandraharaha iray ao Maurice ary nangataka ny vola mitentina Rs 1 400. Ny folak’andron’ny Alarobia 14 Avrily no nitranga ity fakana vola ity tamin’ny lalana Descoches, Port-Louis any Maurice. Nametraka fitarainana teny anivon’ny Paositra Polisy Casernes Centrales ity mpandraharaha izay 32 taona ity izay monina amin’ny tanana manamorona ny renirano Rempart. Efa nihaodihaody teo amin’ny toeram-piasany foana ity tovolahy ity nandritra ny tontolo andron’ny Alarobia ary nilaza ho mitady asa. Nomeny asa soa aman-tsara avy eo nomeny vola Rs 500. Nony harivariva tamin’ny Efatra iny anefa, niverina indray ilay tovolahy nandrahona tamin’ny antsy mba hanomezana azy ny vola Rs 1400. Nilaza ho tsy nanana io vola io anefa ity lasibatra raha tsy maka izany any amin’ny Banky. Nofonosin’ity jiolahy ity ny antsy ary nataony tao an-damosin’ilay Mpandraharaha. Nangataka ny mpiasany anakiroa anaraka azy anefa ilay mpandraharaha ary nony tonga teny akaikin’ny hôpitaly Dr A.G.Jeetoo, Port-Louis dia niantso polisy ilay mpiasa. Rifatra nandositra ilay tovolahikely ka izao karohana fatratra izao.
